Publié dans Malagasy

Mpandraharaha voatafika tao Diego - Norobain’ny jiolahy ny vola 40 tapitrisa ariary sy ny volamena

Publié le dimanche, 05 mars 2017

Mpandraharaha iray no nisy nanafika tao an-tranony ny alahady 5 marsa tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany maraina.Tao amin'ny Fokontany Avenir, lalana Monseigneur Corbet no nitrangan'izany. Araka ny fanazavana voaray dia vola 40 000 000 ariary no lasan'ireo jiolahy dimy, nanafika azy ireo. Voaroba ihany koa ny firavaka volamena, solosaina ary ny finday tao an-trano.

Jiolahy efa mpiady amin'ny fanaovana asa ratsy no nanafika ity mpandraharaha mivady tao an-tokantranon’ ity raha ny fomba fidiran'izy ireo tao an-trano. Notapahin'izy ireo ireny tariby maranitra tamin'ny tamboho izay nahafahan'izy ireo niakatra tao ambony rihana. Notapahiny avy teo ihany koa ilay vy mpiaro teo amin'ny lavarangana. Tao anatin'ny torimaso tanteraka ny tao an-trano nandritra izany. Fa tamin'ny fisokirana an-keriny ireny vavahady alominioma ireny tamin'ny baraminina, tandrify ny efitrano fatorian-jaza no nanaitra ilay madama vadin'ity mpandraharaha. Fantatra fa sendra natory niaraka tamin'ny zanany tsy salama tsara ilay ramatoa. Araka ny voalazan'ity farany dia roa lahy tamin'izy ireo nitondra basy kalachnikov ary ny iray nitondra mesobe. Avy hatrany dia nandrahona ny  hamoahana ny vola tao an-trano. Nanontany raha misy volamena sy safira.Voatetika meso be teo amin'ny handriny sy tamin'ny lohany ilay mpandraharaha ary tapaka meso ny tondrony araiky havanana. Tsy vitan'izany fa mbola nofatoran'izy ireo ilay naratra fa ny vadiny kosa dia novelesina baramina teo amin'ny tongony ary nofelahana tehamaina hanarena azy hanoro ny toerana misy ny tahiry.  Tamin'ny vola lasa ireo dia voalaza fa 10 000 euros ny vola vahiny ary 40 000 000 ariary ny vola malagasy.Araka ny voalaza dia hikasa ny handeha hividy fiara ity mpandraharaha ity ka izany no nanangonana ireo volabe tao an-trano. Ny namany akaiky azy sy ny mpiasany sasantsasany no voalaza fa efa mahafantatra izany, araka ny valin-teniny raha nanontanian'ny Polisy izy teny amin’ny hôpitaly. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon'ny Polisy mpanao famotorana any Antsiranana mahakasika ity fanafihana mitam-basy ity, ka ho fantatra miandalana eo izay mety ho tohiny.

Mpanjono

Fil infos

  • Toamasina - Le « Bazary be » théâtre d'un incendie spectaculaire
  • Lutte contre le VIH/Sida, la tuberculose et le paludisme - La Grande île obtient le soutien financier de Bill Gates
  • Gestion des affaires nationales - La société civile Rohy à côté de la plaque
  • Libéralisation fibre optique - Le ministre des Télécommunications campe sur ses positions
  • Gouvernance - Le Plan régional de Boeny appliqué à la base
  • Polémique autour du projet « Tana Masoandro » - Quand le remblayage sert l’intérêt général
  • Sahasinaka - 2 enfants tués, 34 personnes blessées dans l’embardée d’un Sprinter
  • Fuite de sujets - Le directeur de l’office sous contrôle judiciaire, un enseignant MD
  • Président Andry Rajoelina à Lyon - « Pas de développement sans système de santé efficace »
  • Culture du privilège - Le mauvais exemple de certains enseignants-chercheurs pointé du doigt

La Une

Recherche par date

« October 2019 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      

Editorial

  • Soixante-et-un ans !
    Ce jour du 14 octobre, la République Malagasy a soixante-et-un ans. En effet, le 14 octobre 1958, la République malgache est née. Une étape voulue par l'Elysée avant d'octroyer l'indépendance. Il fallait attendre deux années après (1960) pour que le Général de Gaule se décide à le faire. Le Congrès des Assemblées provinciales réuni au lycée Gallieni (Andohalo Antananarivo) approuva par 208 voix pour, zéro contre, 26 abstentions et 6 portés absents l'instauration de la République à Madagascar. Zafimahova, celui qui a présidé la séance, annonça solennellement dans un tonnerre d'applaudissements la « nouvelle » ce jour du 14 octobre 1958 à 10 h 50 tapante (source Wikipédia) tout en restant dans la grande famille de la Communauté française.  

A bout portant

AutoDiff