Publié dans Malagasy

Vazaha nanolana zaza tsy ampy taona - Voasazy higadra hiasa an-terivozona 10 taona

Publié le mardi, 20 juin 2017

Hatramin'ny nisokafan’ny raharaham-pitsarana ady heloka bevava andiany voalohany tamin' ity taona 2017 ity ny alatsinainy 12 jona lasa teo, dia saika nitazona toerana maro teo amin'ny antontan-taratasin' ady tsaraina, ny raharaha fanolanana sy fanodinkodinana ankizy tsy ampy taona. Ny zoma 16 jona teo no niakatra Fitsarana ady heloka bevava ny raharaha herisetra sy fanolanana ankizivavy 12 taona nataon' i Alain Jean René de la Nix antsoina hoe Vazaha. Na izany aza dia anisan'ny nahavariana ny mpanara-baovao ny tsy nanatrehan’ny voampanga ny fotoam-pitsarana. Tsy tonga ihany koa ny mpitory sy ny vavolombelona.

Tamin'ny 14 septambra 2016 no nisehoan'ny raharaha tao Analamboanio-Toamasina. Raha ny famakiana ny taratasin'ady navoakan’ny famotorana teo anivon’ny polisy sy ny Mpitsara mpanao famotorana, dia nilalao teo an-tokontany ity ankizikely mbola voatavo tsy mifandraka ity ka nampanantsoin' i Alain Jean René ary nampidiriny tao an-tranony sady nakatony ny varavarana. « Notambazany hanao firaisana aho fa tsy nanaiky ary nilaza fa omeny vola 10 000 Ariary nefa tsy nanaiky hatrany ka notereny », hoy ny voarakitra tamin'ny taratasy nanaovana famotorana ilay zaza 12 taona.

Vokatr’ireo rehetra ireo dia nanamafy ny teo anivon'ny Fampanoavana ambony fa voamarina ny fisian'ny herisetra sy fanolanana natao tamin'ity zaza ity. Vokany, taorian'ny dinika fohy nifanaovan'ny Mpitsara mpamoaka didy dia tsy nisalasala ireto farany fa nilatsaka ny sazy henjana ka voaheloka 10 taona sazy an-terivozona i Alain Jean René de la Nix na i Vazaha ary noho ny tsy nanatrehany ny fotoam-pitsarana dia namoahana didy fampisamborana izy.

Kamy

Fil infos

  • Communales 2019 - Des nombreuses associations derrière Naina Andriantsitohaina
  • Stade de Mahamasina - Les Barea et le coach Dupuis demandent la réhabilitation totale
  • Chanson « Drako hely » - Clap de la fin !
  • Changement vers le développement - Une condition sine qua non
  • Milieu judiciaire malagasy - La grande muette !
  • Faniry Alban Rakotoarisoa - L’agression en guise d’arguments
  • Randriamasinoro Ny Rina - Quid de sa gestion financière de la CUA ?
  • Andry Rajoelina à l’inauguration de KFC - Un clin d’œil aux grands investisseurs étrangers !
  • Commission mixte sur les îles éparses - Des positions diamétralement opposées
  • Chanson « Drako hely » - La phrase de tous les dangers !

La Une

Recherche par date

« November 2019 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  

Editorial

  • L’imminence d’une fin !
    Un vieux riche exploitant terrien sentant la mort prochaine fit venir ses enfants (héritiers) et leur dit « travaillez, prenez de la peine c’est le fonds qui manque le moins ». De ses héritiers, il y en a qui ont pris au sérieux l’ultime message du vieux père et ont commencé immédiatement à travailler et faire fructifier le patrimoine sans attendre de disposer entre leurs mains tout l’argent nécessaire, tant mieux ! D’autres, à leurs dépens, ont pris à la légère et snobé le dernier message du vieux père. D’autres encore n’ont rien compris. Ils ne saisissent point les tenants et aboutissants de « l’ultime message ». Ils se trouvent totalement à côté de la plaque. Tant pis pour eux !  

A bout portant

AutoDiff