Publié dans Malagasy

Faritra Sava - Misy iraky ny ministera maka vola an-keriny amin'ny mpandraharaha

Publié le mercredi, 21 juin 2017

Mpiasam-panjakana iraky ny minisiteran’ny Varotra no voampanga fa maka vola an-keriny amin'ny mpandraharaha maromaro any amin’ny Faritra Sava.

Araka ny lalàna velona mantsy alohan’ny fotoam-piotazana lavanila dia tsy maintsy manao fanambaràna mahakasika ny tahiry ananany ny mpanondrana lavanila any ivelany. Jerena ary anaovana fanamarihana ihany koa miaraka amin’izany ireo milina fampiasa amin’ny fanamboarana ny vokatra haondrana (machine de séchage). Araka ny loharanom-baovao voaray avy any Sambava anefa dia misy fanararaotam-pahefana  ataon’ireto iraky ny minisiteran’ny Varotra ireto. Maro ireo mpandraharaha mitaraina amin’ny fomba fiasan’izy ireo. « Mitaky vola aminay izy ireo ary manao fanaparam-pahefana. Ny lavanila voatahiry tamin’ny taon-dasa ihany no tokony hosavain’izy ireo fa tsy ny lavanila azonay tamin’ity taona ity, ka entina hampihorohoroana anay », hoy ny fanazavana nomen’ny mpandraharaha iray any an-toerana.

Voatazona ao amin’ny  borigady

Nametraka fitoriana noho io fitakiana vola io noho izany ny mpandraharaha sasany. Araka ny fantatra dia efa voasambotra ao amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria ao Andrangoveratra ireto iraka ireto atao fanadihadiana. Miantso ireo mpandraharaha nakan’ireto farany vola ny tompon’andraikitra ao amin’izany borigady izany. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Tsara ny manamarika fa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fotoam-piotazana lavanila any amin’ny Faritra Sava.

A.Lepêcheur

Fil infos

  • Stade de Mahamasina - La réhabilitation incontournable !
  • Détournement de deniers publics - Liberté provisoire refusée pour Claudine Razaimamonjy et le maire d’Ambohimahamasina
  • Revendication des îles éparses - La cohésion nationale, condition primordiale du succès
  • Vague de limogeage à la JIRAMA - La Direction générale fait fausse route
  • Mairie d'Antananarivo - Des sénateurs appellent à voter pour Naina Andriantsitohaina
  • Accident mortel de la circulation - Le MD automatique, une aberration
  • Corruption et détournements - Un ministre de la Transition et deux ministres HVM devant la Haute Cour de Justice
  • Naina Andriantsitohaina - « Il est temps de penser à la population »
  • Problème d’électricité et de distribution d’eau - Ras-le-bol de la population
  • Andry Rajoelina à Morondava - Réouverture imminente de la SUCOMA

La Une

Recherche par date

« November 2019 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  

Editorial

  • Corporatisme et impunité
    Lors de la « Concertation nationale des grands responsables de la Police nationale tenue à Ivato (CCI) le 20 août 2019, le Premier ministre Ntsay Christian sort de ses gonds. D’habitude conciliant dans ses interventions publiques, le Chef du Gouvernement n’a pas pu retenir la colère face à la défense exclusive et parfois aveugle des intérêts professionnels constatée au sein de la Police nationale. Ntsay a tapé sur la table ! Il dénonce le comportement corporatiste qui frise l’impunité dans les rangs des Forces de l’ordre.Néanmoins, le scélérat geste le moins que l’on puisse dire de la Police nationale n’est seulement le fait de cette unité des Forces de l’Ordre, le regrettable comportement s’enregistre malheureusement aussi chez d’autres Corps de métier et qui s’apparente à une tendance généralisée à asseoir l’impunité en tant que système. De l’immunité parlementaire. Les largesses que la Loi fondamentale donne jouissance à un parlementaire préoccupent le citoyen…

A bout portant

AutoDiff