Publié dans Malagasy

Ambohidratrimo - Lehilahy iray hita faty, ahiana ho nisotro poizina

Publié le lundi, 13 novembre 2017

Nisavorovoro ireo mponina teny Marobiby Ankadindravola, Kaominina Ivato Distrikan’ Ambohidratrimo tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Fatina tovolahy iray tombanana ho 25 taona no hita teny akaikin’ny tanimboly iray teny amin’ny manodidina.  Nahitana tavoahangy plastika nisy ambin-dranom-boankazo sy tavoahangy nisy poizina teo akaikiny.

Teo alohan’izay anefa dia efa nisahotaka ny fokonolona satria natahotra mafy izy ireo sao matin’ny aretina pesta io tovolahy io. Nandritra ny fisavana nataon’ny mpitsabo tao amin’ny CsbII sy ny mpitandro filaminana tao an-toerana dia fantatra fa namono tena tamin’ny poizina izy. Fotoana vitsy taorian’ny fahavitan’ny fitsirihana rehetra dia tonga ihany koa ny fianakaviana mba haka ny razana. Manoloana izay zava-nitranga izay àry dia namoaka fanambarana ireto fianakaviana fa manana olana goavana ao an-tokantrano ralehilahy ka izany no mety ho nahatonga azy nanao izao famonoana tena izao. Nomarihan’izy ireo fa tsy nody an-trano izy io nanomboka tamin’ny zoma alina lasa teo iny ka  ny fatiny sisa no hitan’ny fianakaviana ny maraina. Hatreto aloha dia mbola eo am-panaovana famotorana lalina ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Na efa voaporofon’ny mpitsabo aza ny nahafaty ity lehilahy ity dia mbola mametraka fanahiana ihany ireto fianakaviana, sao misy antony hafa. Andrasana hatreto ny fivoaran’ny famotorana.
Tatianà R.

Laissez un commentaire

Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.

Fil infos

  • Andry Rajoelina contre l’insécurité - L’arrêt de l’exportation bovine en perspective
  • Région Menabe - La mafia des bois précieux fait parler d’elle
  • Atteinte à la sûreté intérieure de l'Etat - Pety Rakotoniaina de nouveau en prison
  • Election présidentielle - Narson Rafidimanana et 150 maires séduits par le programme de Rajoelina
  • Déstabilisation et manœuvres de coup d'Etat - Des mains étrangères au cœur des soupçons
  • Conseil du Fampihavanana Malagasy - Perte de crédibilité confirmée !
  • Permis et carte grise biométriques - Accusés, levez-vous !
  • Antoko Repoblikanina - Le dernier- né des partis politiques à Madagascar
  • Mbola Rajaonah, le pestiféré - Sur les traces de Claudine Razaimamonjy
  • Trafic de bois précieux au Vakinankaratra - Deux femmes proches de Rajaonarimampianina dans le coup

La Une

Recherche par date

« October 2018 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        

Editorial

  • HVM, que reste-t-il ?
    Alors que toutes les formations politiques, du moins celles dignes de leur stature, resserrent les rangs pour affronter la course en vue de la magistrature suprême, le parti du Président démissionnaire Hery Rajaonarimampianina s’effrite. Le parti au pouvoir va en ordre dispersé.  Les démissions se succèdent. Une défection cache une autre ! A ce rythme, le parti présidentiel, une formation politique, sûre de sa puissance, à  l’époque, et qui défiait avec un certain orgueil et d’une fierté, mal placée, les autres serait d’ici peu une carcasse d’ossements, sans âme, ni corps,  l’ombre de lui-même ! Les « départs définitifs » se poursuivent. Et la liste n’est pas exhaustive !

A bout portant

AutoDiff