Publié dans Malagasy

Analanjirofo - Miomana amin’ny mety ho fandalovan’ny rivo-doza ny mponina

Publié le mercredi, 03 janvier 2018

Izay tsara fiomanana tokoa tsy hotampohin'ny loza. Mampihatra izany ara-bakiteny ny ao Analanjirofo amin’izao fotoana izao.  Ny any an-toerana izay ao anatin’ny rotsak’orana, nanomboka ny alahady 31 desambra ary mbola nitohy tamin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra.

Orambe mikija no misy amin’ireo Distrika enina mandrafitra ny Faritra Analanjirofo dia Maroantsetra, Mananara-Avaratra, Sainte-Marie, Soanierana-Ivongo, Fenoarivo-Atsinanana ary Vavatenina. Vokatr’io rotsak’orana tsy an-kiato ateraky ny andro ratsy io dia manomboka miakatra ny rano amin’ireo faritra iva. Ahiana ihany koa ny fihotsahan’ny tanety tahaka ilay niseho tao amin’ny Kaominina Ambinanitelo Maroantsetra, ny volana marsa 2017 izay namoizana ain'olona valo. Ho fisorohana ny loza, dia nandray fepetra avy hatrany ny fiadidiana ny Faritra Analanjirofo.
Misy avy hatrany ny fanentanana amin’ny haino aman-jery misy any an-toerana. Misy koa ny fifandraisana tsy tapaka amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isaky ny Distrika ka hatreny amin’ny Fokontany manentana ny vahoaka monina amin’ny faritra iva sy amoron-tanety mba hanatona toerana avo.  Nosokafina ireo fiangonana sy tranom-pokonolona na trano sekoly handraisana ireo mponina avy amin’ny faritra iva. Fehiny, vonona tanteraka ny any Analanjirofo amin’ny ho fiatrehana ny rivo-doza raha sanatria mivadika ho rivo-doza ilay faritra andro ratsy.
Kamy

Laissez un commentaire

Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.

Fil infos

  • Nosy Be - La décision de la Justice bafouée par des autorités
  • Gestion et recensement du personnel de l'Etat - Ultimatum d'un mois pour tous les ministres
  • Algoculture - Des bénéfices souvent négligés
  • Ambilobe - Deux attaques à main armée en l’espace de 24 h
  • Réhabilitation de Notre-Dame de Paris - Un élan de solidarité à copier !
  • Elections municipales 2019 - Antananarivo à la recherche de la perle rare !
  • Tensions entre HVM au Sénat - 35 sénateurs signent une demande de session extraordinaire
  • Faux diplômes - Le directeur régional de la pêche de Mahajanga sous Md
  • Evacuation sanitaire d’une prisonnière - Le BIANCO et le PAC saisis de l’affaire
  • Forêt de Vohibola - « Nous étions purement et simplement kidnappés », dixit des Tangalamena

La Une

Recherche par date

« April 2019 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          

Editorial

  • Le chemin du filet
    Les grandes formations européennes de football s'affrontent, en ce moment, dans les phases éliminatoires des coupes tant au niveau national qu'européen. En France, les équipes de la Ligue 1 disputent à mort les meilleures places pour  la fameuse et légendaire Coupe de France. Et on y va de grosse surprise à la débâcle. Quand un PSG se fait étriller par 5 buts à 1 par une « équipe de province » Lille, il y a de quoi s'étonner ! En Europe, à l'UEFA, les âpres matches éliminatoires  comptant pour le championnat européen battent leur plein et arrivent à leur terme. En général, la hiérarchie est respectée. Les grandes équipes comme les Barça ou les Ajax trouvent toujours l'opportunité de faufiler pour se frayer un itinéraire vers le chemin du filet.

A bout portant

AutoDiff