Publié dans Malagasy

Distrikan’Antanifotsy - Dimy mianaka navadiky ny sarety, 3 maty tsy trà-drano

Publié le mercredi, 10 janvier 2018

Fantatra tamin’ireo angom-baovao voaray nifanesisesy tamin’ity herinandro ity fa maro ireo  olona namoy ny ainy, noho ny fiakaran’ny ranobe amin’izao fotoana izao. Anisany nahitana izay tranga izay ny tao amin’ny  Distrikan’Antanifotsy ary voalaza fa  telo mianaka 50 taona sy 24 taona ary 13 taona no nindaosin’ny fahafatesana. Raha ny tatitra voaray avy an-toerana àry dia ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any no fantatra fa olona dimy mianaka no nandeha sarety hiampita renirano atao hoe “onive”.

Marihana anefa, hoy ireo mponina fa niakatra be sy natahorana fatratra ny fiampitana ity renirano ity saingy  tsy nahasakana azy mianakavy  hiampita izany. Efa niezaka nandrara azy ireo ny teo amin’ny manodidina satria hita mibaribary fa  hatramin’ny tetezana mihitsy no difotry ny rano. Nisisika toy ny nasesi-doza ireto farany  ka nanohy ny diany hatrany. Tsy tonga lavitra akory ilay sarety dia nivadika noho ny fitosahan’ny rano mahery loatra. Vokany, latsaka tao anatin’ity   rano lalina  ity avokoa izy dimy mianaka tamin’io fotoana io. Maty tsy tanà intsony ny ain’ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vavimatoa ary tsy nisy netin’ny rano fa avy dia hita daholo raha ny tatitra voaray. Tampoka teo dia vory ny olona sy ny zandary  ka raikitra ny fifamonjena  sy ny savahao teo amin’ity renirano ity ka hita fa avotra soa aman-tsara ilay raim-pianakaviana  sy ny zanany lahy iray. Hita ho sempotry ny rano ihany izy ireo tamin’ny fotoana nifamonjena saingy  voavonjy ara-dalàna sy ara-potoana na izany aza. Ilay tovolahy kely zanak’izy ireo farany 13 taona no tsy hita raha tsy tamin’ny 4 ora hariva tany ho any ka efa  tsy nisy aina intsony. Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviana ny razana  ankehitriny .
Nandray fepetra hentitra ny mpitandro filaminana ao an-toerana
Azo lazaina ho tsy tampoka tamin’ny fokonolona ny zava-niseho raha ny fanampim-panazavana voaray hatrany. Noho ny fahitana ny fiakaran’ity renirano ity dia efa betsaka ireo nanahy sao hisy olona lasan-drano. Vao tsy ampy firy andro akory, hoy ny teo amin’ny manodidina dia  niseho ny sampona. Manoloana izay tranga izay dia  nandray fepetra hentitra aloha ireo mpitandro filaminana  mba hisorohana ny loza. Nisy araka izay  ny fiambenana ireo mifamezivezy ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana ny raharaha hatreto.
Tokony hitandrina ireo mponina, indrindra ireo tsy maintsy miampita renirano
 Manoloana ny fiakaran’ny renirano maro manerana ny Nosy ankehitriny dia ny rehetra mihitsy no samy tokony hitandrina satria raha ny vaovao voaray  hatrany no jerena dia  ireo olona lasan’ny rano no tena nifanesisesy tato ho ato. Porofon’izany mivaingana ihany koa ny zava-niseho tany Moramanga ny alahady lasa teo iny. Olona miisa fito be izao no lasan’ny reniranon’i Mangoro tao amin’ny Kaominin’Ambohidronono. Raha tsiahivina kely ity tranga ity dia olona avy nandevina  ny fianakaviany izy ireto ary mpianakavy iray ihany. Fantatra tamin’ireo niharan-doza ary fa renim-piakavina miisa roa niaraka tamin’ny zanany avy no anisany nindaosin’ny fahafatesana tamin’ity tranga ity.  Vokatr’izay tranga izay dia hentitra ireo zandary isaky ny borigady  amin’ny fanaraha-maso na dia tampoka aza ny ankamaroan’ireo tranga miseho matetika.
Tatianà R.

Laissez un commentaire

Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.

Fil infos

  • Allégation de corruption à Ivato Explications peu convaincantes des douaniers
  • Domaine public - Le jardin d’Antaninarenina disparaitra à jamais !
  • Complicité avec les bandits - Des gendarmes placés sous MD
  • Kraoma - Le nouveau DG prend fonction
  • SIRAMA Nosy Be et Brickaville - Quid de la sécurisation des investissements !
  • Attaque de la chenille légionnaire - Antanetibe Mahazaza sur le qui-vive
  • Commune urbaine d’Antsirabe - Les employés décrètent la grève générale
  • Arrestations « musclées » de Rajaonah et Eddy « bois de rose » - Les Forces de l’ordre justifient leurs actions
  • Kidnapping à Tsaratanàna - Complicité de certains gendarmes ?
  • Décès de la jeune Andotiana - La Police française conclut à une mort par noyade

Recherche par date

« February 2019 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28      

Editorial

  • Coudées franches.
    Réunie en séance privée dans la matinée du mercredi 13 février 2019, la Haute Cour Constitutionnelle (HCC) déclara conforme à la Constitution la loi 2019-001 autorisant le président de la République à légiférer en lieu et place du Parlement, et pour cela, dans un cadre bien déterminé pour  un temps limité. Rappel, le nouveau Chef d’Etat Rajoelina Andry Nirina, évitant tout risque d’un vide institutionnel pouvant bloquer les actions d’urgence du Gouvernement, soumit au Parlement une loi l’autorisant à légiférer par ordonnance en l’absence du parlement. Au final, les deux chambres ont voté la loi 2019-001 soumise par l’Exécutif. En effet, le 1 er février, l’Assemblée Nationale  l’adopta par une large majorité. Tandis que, le Sénat fit de même le 5 février. Ainsi, sollicitée par le président, pour le besoin du contrôle de constitutionnalité, la HCC décida la  conformité de la loi votée et prit le soin de délimiter le…

A bout portant

AutoDiff