Mpianatra nanao dia fibeazana miisa dimy no indray namoy ny ainy tao amin'ny moron-dranomasin'Antsanitia, Mahajanga ny 24 aprily 2025 lasa teo, tokony ho tamin'ny iray ora folakandro. Nilalao ranomasina ireo mpianatra, raha ny fanazavana. Nilentika ny iray ka niroboka namonjy ireo efatra namany. Samy tsy nisy nipoitra intsony anefa izy dimy ka raikitra ny horakoraka sy antso vonjy. Mpianatra avy ao amin'ny Lisea Manjakandriana izy ireo. Kilasy voalohany sy faharoa ary famaranana saika manodidina ny 14 hatramin'ny 16 taona avokoa. Miisa 104 ny mpianatra sy mpampianatra indray tonga tany Mahajanga hiatrika ity dia fibeazana ity saingy izao tra-doza izao.